Fiteny arameana vaovao

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny arameana vaovao dia karazan' ny fiteny arameana izay nivoatra nandritra ny Andro Antenatenany sy ny Andro Vaovao, ary mbola mitohy hatramin' izao amin' ny maha-fiteny ifaneraserana azy ao amin' ny vondron' olona miteny arameana vaovao. Ao amin' ny fandalinana ny fiteny arameana, ny fanasokajiana ny karazan' ny fiteny arameana vaovao dia lohahevitra nahaliana manokana ny manam-pahaizana, izay nanolotra fizaràna maromaro: roa (andrefana sy atsinanana), telo (andrefana sy afovoany ary atsinanana) na efatra (andrefana, afovoany, avaratra-atsinanana ary atsimo-atsinanana).

Amin' ny fandalinana fiteny mihevitra ny anjara asa eo amin' ny firahamonina, ny fiteny arameana vaovao dia sokajiana araka ny mason-tsivana ara-poko sy ara-pivavahana isan-karazany, ary mahafaoka vondrona izay mifikitra amin' ny kristianisma, amin' ny jodaisma, amin' ny mandeisma ary amin' ny silamo.

Ireo fiteny arameana vaovao ampiasain' ny Kristiana dia efa niara-nisy hatry ny ela tamin' ny fiteny siriaka klasika amin' ny maha fiteny ampiasaina amin' ny literatiora sy amin' ny litorjia azy ao amin' ny kristianisma siriaka.

Koa satria ny fiteny siriaka klasika sy ny endrika maro tranainy – toy ny fiteny arameanan' ny targoma (karazana fiteny arameana jiosy tranainy) sy ny fiteny mandeana klasika – dia tsy ampiasain' ny olona hifadraisana andavanandro, dia tsy voasokajy ho fiteny arameana vaovao izy ireo. Na izany aza, ny fiteny klasika dia mbola misy fiantraikany amin' ny fiteny arameana vaovao ifaneraserana.

Ny karazan' ny fiteny arameana vaovao malaza indrindra dia ny vondrom-piteny arameana vaovao afovoany sy ny vondrom-piteny arameana vaovao avaratra-atsinanana. Ny vahoaka asiriana, izay mpikambana ao amin' ny Fiangonana Asirianina Atsinanana, ny Fiangonana AtsinananaTranainy, ny Fiangonana Ôrtôdôksa Siriaka, ny Fiangonana Katôlika Kaldeana, ary ny antokom-pinoana sasany hafa no tena itenenana azy ireo (na dia tsy izy ireo irery aza). Ny mpiteny hafa dia ahitana Kristianina avy any Ampiposahana (izay miteny amin' ny fiteny arameana vaovao andrefana tandindonin-doza) sy Mandeana ary ny Jiosy mizrahy sasany.

Amin' izao fotoana izao, ny isan' ny mpiteny arameana vaovao mahay dia tena vitsy, ary ny taranaka asiriana taty aoriana amin' ny ankapobeny dia tsy mahazo feno an' ilay fiteny, indrindra fa maro no nifindra monina sy niorim-ponenana any amin' ny firenena vaovao, ary ny fiteny arameana vitsy mpiteny hafa dia ihoaran' ny fitenin' ny maro an' isa eo an-toerana.