Fiteny arameana vaovao afovoany

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny arameana vaovao afovoany na fiteny neô-arameana afovoany dia vondrona manokana amin' ny fiteny arameana vaovao na fiteny neô-arameana, izay lazaina fa afovoany raha resahina ny toerana ara-jeôgrafia misy azy, eo anelanelan' ny faritra itenenana ny fiteny arameana vaovao andrefana sy ny fiteny arameana vaovao atsinanana. Ny faritra nipoiran' ny mpiteny azy dia any amin' ny tapany avaratra amin' ny faritra ara-tanaran' i Siria (mahafaoka ny atsimo-atsinanana amin' i Torkia ankehitriny sy ny avaratra-atsinanana amin' i Siria).

Io vondrona io dia ahitana ny fiteny torôiô (turoyo) izay fitenin' ny faritr' i Tur Abdin sy ny vondrona samihafa any am-pielezana, ary ny fiteny mlahsô (mlahsô) izay efa tsy misy mpiteny intsony.

Tamin' ny fandalinana ny fiteny arameana dia vondrona maro hafa amin' ny fiteny arameana vaovao no natolotry ny mpikaroka samihafa, ary ny sasany amin' ireo vondrona ireo dia nampiasa ny teny hoe "fiteny arameana afovoany" amin' ny dikany midadasika kokoa, anisan' izany ny sehatra midadasika indrindra manondro ny fiteny arameana vaovao rehetra,  afa-tsy ny fiteny arameana vaovao andrefana sy ny fiteny mandaika vaovao (na fiteny neô-mandaika).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]