Fiteny arameana vaovao avaratra-atsinanana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny arameana vaovao atsinanana)

Ny fiteny arameana vaovao avaratra-atsinanana na fiteny arameana vaovao atsinanana dia fitambarana fitenim-paritry ny fiteny arameana vaovao tenenina talohan' ny Ady Lehibe I, izay fitenin' ny Jiosy sy ny Kristiana eo anelanelan' ny ony Tigrisy (na Tigra) sy ny Farihy Urmia, mianavaratra hatrany amin' ny Farihy Van ary mianatsimo hatrany Mosul sy Kirkuk. Vokatry ny Sayfo (fandripahana ny Asiriana) dia voatery niala tao amin' ny faritra misy an' i Torkia ankehitriny ny Kristiana miteny arameana, ary tamin' ny fiandohan' ny taompolo 1950 dia nifindra tany Israely ny ankamaroan' ny Jiosy miteny arameana (ny Jiosy kiorda).

Ny ady teo amin' ny Kiorda sy ny Tiorka dia niteraka fifindràn-toerana bebe kokoa tamin' ny mpiteny arameana. Tamin' ny taompolo 1990, ny Asiriana mpiteny amin' ny vondrom-piteny arameana vaovao avaratra-atsinanana dia tombanana ho latsaka ny 500 000, izay miely nanerana ny Afovoany Atsinanana sy ny tany misy ny zanaka am-pielezana asiriana. Tamin' ny taona 2007dia nanoratra i Geoffrey Khan, manam-pahaizana momba ny teny, fa maro ny fitenim-paritr' io vondrona io izay efa akaiky ho lany tamingana ary sarotra ny mahita ny mpiteny mahay mampiasa an' izy ireo.

Ny sampana hafa amin' ny vondrom-piteny arameana vaovao dia ny fiteny arameana vaovao andrefana, ny fiteny arameana vaovao afovoany (fiteny torôiô (turoyo) sy ny fiteny mlahsô (mlhaso)), ary ny fiteny mandaika (na mandeana). Ny mpahay teny sasany dia manasokajy ny fiteny arameana vaovao avaratra-atsinanana sy ny fiteny torôiô ary ny fiteny mlahsô ho fitohizam-pitenim-paritra tokana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]