Khorramshahr
30°26′27″N 48°11′03″E / 30.440790°N 48.184280°E
| Khorramshahr | ||
| Velarantany | NC | |
| Haavo | ||
| Isan'ny mponina | 330 606 | |
| Renivohitra | - | |
| Ben'ny tanàna | ||
| Firenena | ||
| Fanjakana | ||
| Faritany | Khuzestan | |
| Faritra | ||
| Tanàna mifanolo-bodirindrina | ||

I Khorramshahr (persiana: خرمشهر / Xorramšahr) dia tanàna seranan-tsambo ao Iràna, ao amin' ny faritanin' i Khuzestan. Tokony ho 10 km avaratr' i Abadan no misy azy, amin' ny sisintany amin' i Iràka. Mivelatra mankany amin’ ny morony atsinanan’ ny renirano Arvand ilay tanàna rehefa eo amin’ ny fihaonan’ io renirano io amin’ ny renirano Karun. Ny seranan-tsambon' ilay tanàna dia antsoina hoe Bandar-e Khorramshahr. Ity tanàna ity dia teo amin' ny laharana voalohany tamin' ny Ady Iràna-Iràka, nisy ady mafy teo ary rava ny tanàna. I Khorramshahr dia na ntsoina hoe Mohammerah (arabo: محمره) hatramin' ny 1924.

I Khorramshahr dia ahitana vondrona Mandeana (ny mandeisma no fivavahany). Iray amin' ny toerana sisa tavela eto amin' izao tontolo izao izay mbola itenenana ny fiteny mandeana vaovao (neô-mandaika). An-jatony monja ny mpiteny amin' ny tenim-paritra mandeana vaovao ao Khorramshahr.
Jeôgrafia
[hanova | hanova ny fango]Ny isan' ny mponina dia 330 606 tamin' ny taona 2014.[1]
