Karun (ony)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Karun)
Sarintany maneho ny renirano Karun
I Karun mandalo eo amin' ny tanànan' i Ahvaz

I Karun (amin'ny teny persana: کارون / Kārūn; amin' ny teny arabo: قارون / Qārūn) dia renirano any amin' ny faritra afovoany-andrefana amin' i Iràna izay mipoitra avy any amin' ny faritra afovoan’ ny tangorom-bohitra Zard Kuh, ao amin' i Zagros. Io no hany renirano azon’ ny sambo andehanana ao Iràna.

Rehefa avy nanaraka lalana mibilobiloka eo amin' ny antsasaky ny halavany izy dia mianatsimo-andrefana, ka mikambana amin' ny reniranon' i Dez ao akaikin' ny tanànan' i Shushtar, avy eo mitodika atsimo-atsinanana, miampita an' i Ahwaz (na Ahvaz) ary mivarina any amin' ny reniranon' i Shatt al-Arab (ampahany iraisan' ny ony Tigrisy sy ny ony Eofrata) manandrify an’ i Khorramshahr. Mivarina ao aminy avy ao atsinanana ny renirao Kuhrang ary ny renirano Bazoft avy ao andrefana.

Manodidina ny 725 km eo ho eo ny halavan' ny renirano ary azo andehanana sambo avy eo am-bavany hatrany Shushtar.