Aller au contenu

Fiteny ao Hôngria

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny any Hôngria dia ahitana fiteny hongroà sy fitenin' ny vitsy anisa ekena ary fiteny hafa. Ny fiteny ôfisialy any Hôngria dia fiteny hôngroà. Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2011 dia 99,6 % amin' ny mponina no miteny hôngroà, ny 98,9 % amin' izy ireo no manao azy io ho fitenin-drazany, izay fiteny finô-ogriana tsy mitovy amin' ny fiteny any amin' ny firenena manodidina.

Ny fitenin' ny vitsy anisa maro no ampiasaina any amin' ny tanànan' ny teratany maromaro any Hôngria. Ity firenena ity dia nanao sonia ny Sata eorôpeana ho an' ny fiteny isam-paritra na an' ny vitsy anisa, izay nankatoavina tamin' ny 26 Avrily 1995 izay ahitana fitenin' ny vitsy anisa 14 ankatoavina sy arovana. Ny zo ôfisialin' ny fitenin' ny vitsy anisa 13 ankatoavina dia fehezin' ny Lalàna momba ny zon' ny olom-pirenena sy ny vitsy anisa ara-poko, izay manome fepetra ho an' ny fampandrosoana ny fizakan-tena ara-kolontsaina sy ara-panabeazana. Tamin' ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2001, tamin' ny olom-pirenena 314 059 anisan' ny fokon' ny vitsy anisa, dia 135 787 no nilaza fa ny fitenin' ny vitsy anisa no fiteniny voalohany.

Araka ny fepetran' ny Sata eorôpeana ho an' ny fiteny isam-paritra na an' ny vitsy anisa, i Hôngria dia manome fiarovana manokana ho an' ny fiteny armeniana, fiteny bôiasa, fiteny bolgariana, fiteny krôaty, fiteny alemàna, fiteny grika, fiteny pôlôney, fiteny rômany, fiteny romaniana, fiteny rosina, fiteny serba, fiteny slôvàka, fiteny slôveniana ary fiteny okrainiana.