Ficus sycomorus
Ny Ficus sycomorus dia zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Moraceae, karazana aviavy na amontana, izay efa nambolena hatry ny Andro Taloha.
Faritra aniriany
[hanova | hanova ny fango]Nambolena tany Ejipta nanomboka tamin' ny taonarivo fahatelo tal. J.K. ny Ficus sycomorus. Ny Ficus sycomorus dia teratany any amin' ny faritr' i Afrika atsimon' i Sahel sy avaratry ny Zana-pehin-tany Adijady, avy any Senegaly ka hatrany amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i Afrika Atsimo, ankoatra ny faritry ny ala mando ao afovoany-andrefana. Maniry ho azy any Libanona, any amin' ny tapany atsimon' ny Saikinosin' i Arabia, any Sipra, amin' ny faritra sasany eto Madagasikara, ary any Israely sy Palestina ary Ejipta. Any amin' ny toerana iaviany, io hazo io dia matetika hita any amin' ny tany lonaka manamorona renirano sy any amin' ny ala mifangaro.
Ny mombamoba azy
[hanova | hanova ny fango]Ny Ficus sycomorus dia mety hahatratra hahavo 20 m ary 6 m ny sakany. Maitso mavo ny hoditr' ilay hazo ary ipoiran' ny hodiny anatiny manopy mavo avy ao anatiny. Toy ny karazana aviavy rehetra, ny Ficus sycomorus dia misy ditiny miloko fotsy.
Ny raviny, izay maitso antitra miendrika fo, dia manana lavany mirefy 14 sm sy ny sakany mirefy 10 sm ary milahatra manodidina sampana. Eo amin' ny lafiny ambany maitso tanora no isehoan' ny kirakirany madinika mivohitra ary mafy ny lafiny roa. Ny tangozany rakotra volovolo dia mirefy 0,5 hatramin' ny 3 cm ny halavany.
Ny voany dia azo hanina, 2 hatramin' ny 3 sm ny savaivony, izay miova avy amin' ny maitso ho amin' ny mavo manopy mavokely ny lokony. Maniry anaty sampahony ireo voany ireo mandritra ny taona ary mijhianona ny fitomboany eo anelanelan' ny Jolay sy Desambra.