Epistily voalohany nosoratan' i Klemento

Avy amin'i Wikipedia
Fiantombohan' ny Epistily voalohany nosoratan' i Klemento tamin' ny fanontana grika-latinn' i Oxford (1633).

Ny Epistily voalohany nosoratan' i Klemento, na Epistilin' i Klemento ho an' ny Kôrintiana dia taratasy nosoratana tamin' ny teny grika nataon' i Klemento avy any Rôma sy eveka tao amin' ity tanàna ity tamin' ny taompolo 90. Atao hoe Κλήμεντος πρὸς Κορινθίους / Klếmentos pròs Korinthíous ity taratasy ity amin' ny teny grika. Amin' ny maha papa azy dia natao ho olomasina amin' ny anarana hoe Masindahy Klemento I izy araka ny fomban' ny Katôlika sy ny an' ny Ôrtôdôksa. Io taratasy io indrindra no nahatonga an' i Klemento nalaza. Io no hany asa soratr' ity mpanoratra ity.

Azo inoana fa nosoratana tamin’ ny taona 95-97 ary natao ho an’ ny Fiangonan' i Kôrinto ilay taratasy, izay efa-polo taona taty aorian' ny epistily roa nalefan' i Paoly ho an' ny fiangonana kôrintiana io ihany. Ity taratasy ity, miaraka amin' ny Didake, dia anisan' ny fijoroana vavolombelona tranainy indrindra momba ny kristianisma voalohany, miaraka amin' ny Testamenta Vaovao. Ny toetran' ny mpanoratra azy sy ny toerana ary ny fotoana nanoratana io taratasy io dia mametraka azy eo am-pihaonan' ny tontolo roa: ny tontolo grika sy ny tontolo rômana, etsy ankilany, ary ny an’ ny lova jiosy sy izay efa hita ho fomba kristiana, etsy ankilany. Amin' ny maha tahirin-kevitra azy dia io no asa voalohany amin' ny literatiora kristiana namolavola ny lohahevitry ny fifandimbiasana apôstôlola sy ny ni ny fanenjehana tamin' ny vanim-potoanan' ny Empira Rômana. Io tatratasy io koa dia mamela ny mpamakafaka manao tsikera ara-tantara hanatsara ny datin' ny Epistily ho an' ny Hebreo sady mametraka fanontaniana maromaro momba ny taona farany niainan' i Paoly.

Lahatsoratra iray fantatra sy tsy takatry ny saina, very hatry ny ela, tara vao hita indray, ny Epistily voalohan' i Klemento ankehitriny dia hita ao amin' ny fanangonan' ny Ray Apôstôlika. Voatanisa amin' ny lohateny hoe Prima Clementis izy, izay hafohezina hoe 1 Clem.

Hita tao amin' ny Codex Alexandrinus io taratasy io tamin' ny taonjato faha-17, izay manaraka ny Testamenta Vaovao ary eo alohan' ny pseodepigrafa iray mitondra ny lohateny hoe Epistily faharoan' i Klemento, izay tsy fantatra mazava ny tena mpanoratra azy.