Aller au contenu

Epistily voalohany ho an' i Timôty

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Epistily voalohany ho an'i Timoty)

Ny Epistily voalohany ho an' i Timôty na Epistola voalohany nosoratan' i Masindahy Paoly ho an' i Timôte na Taratasy voalohany nosoratan' i Masindahy Paoly ho an' i Timôte dia boky ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly, izay anisan' ireo atao hoe epistily. Ato amin' ity taratasy ity no anantitranteran' i Paoly ny amin' ny famonjena azo avy amin' ny finoana an' i Kristy. Ampianariny ny fitodran-tena anjakan' ny fanaovana asa tsara. Ambarany koa fa tokony ho olona mendrika halain-tahaka ny mpitandrina sy ny loholona misahana andraikitra ary ny diakôna na diakra. Tian' i Paoly raha manaraka ny lalana tena izy ny fitantanana ny fiangonana. Noho izany dia tokony tsy avela hanjaka ny fahadisoan' ireo izay milaza tena ho manam-pahaizana momba ny Lalàna; tokony hosakanana koa ny fianteherana amin' ny angano (na fedrà) sy amin' ny tetiarana namboamboarina ary amin' ny fadifady ara-tsakafo isan-karazany.

Ity epistily ity dia ahafahana mamantatra bebe kokoa ny tokony ho rafitry ny fiangonana kristiana isan-toerana: ahitana mpitarika ao am-piangonana ary misy fepetra fanendrena sy sata mifehy azy ireo. Mibahana ao ny fampianarana satria ilaina ny maneho ny fahamarinana mba hiadiana amin' ny fampianaran-diso izay miely izaitsizy.

Naman' ireo atao hoe epistily pastôraly nosoratan' i Paoly io epistily io. Taratasy voalohany nosoratan' i Paoly ho an' i Timôty (na Timôte) izany, dia i Timôty izay sady mpianany no mpiara-dia aminy. Tokony ho teo anelanelan' ny taona 61 sy 65 no nanoratana azy. Misy toko 6 ity boky ity.

Ny anaran' ny boky

[hanova | hanova ny fango]

Πρώτη Επιστολή προς Τιμόθεο / Prôtê Epistolê pros Timotheo no fiantsoana azy amin' ny teny grika fa Epistula I ad Timotheum kosa amin' ny teny latina.

Fizaràn' ilay taratasy

[hanova | hanova ny fango]

Teny fiarahabana (1:1-2)

[hanova | hanova ny fango]

Fisakanana ny fampianaran-diso (1:3-20)

[hanova | hanova ny fango]

Fanarenana ny Fiangonana (2:1 – 6:10)

[hanova | hanova ny fango]
  • Ny amin' ny vavaka (2:1-7)
  • Ny amin' ny anjara asan' ny lehilahy sy ny vehivavy (2:8-15)

Fiandrasana ny ondry (3:1 – 6:10)

[hanova | hanova ny fango]
  • Ny amin' ny fahaiza-mitarika ao amin' ny Fiangonana (3:1-13)
  • Ny tokony hiarovana ny fahamarinana ao amin' ny Fiangonana (4:1-16)
  • Ny fomba fitondrana ny sokajin' olona isan-karazany ao amin' ny Finangonana (5:1- 6:10)

Toromarika manokana ho an' i Timôty (6:3-21)

[hanova | hanova ny fango]
  • Ny amin' ny fampianaran-diso (6:3-10)
  • Miady ny ady tsaran' ny finoana (6:11-16)
  • Teny ho an' ny mpanan-karena (6:17-19)
  • Fitandremana izay zavatra nankinina amin' ny tena (6:20-21)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Ny epistilin' i Paoly:

Boky hafa ao amin' ny Baiboly: