Faritra Baltika
Apparence
(tonga teto avy amin'ny Eorôpa Avaratra Atsinanana)
Ny Faritra Baltika na Firenena Baltika na Firenena Balta na Eorôpa Avaratra-Atsinanana dia fitambarana firenena maro ao amin' ny faritra manodidina ny Ranomasina Baltika.
Heviny
[hanova | hanova ny fango]Arakaraka ny zavatra resahina manodidina ny andian-teny hoe "Faritra Baltika" no ahafaha-mahafantara ny heviny, ka mety ho:
- ireo firenena izay manana morontsiraka manamorona ny Ranomasina Baltika, dia i Danemarka, i Estônia, i Letônia, i Finlandy, i Alemaina, i Litoania, i Pôlônia, i Rosia ary i Soeda;
- ireo firenena antsoina ankehitriny hoe "Firenena Balta" na "Firenena Baltika", dia i Estônia, i Letônia, i Litoania, ary indraindray ny Ôblastan' i Kaliningrad (any Rosia);
- i Prosia Atsinanana ara-tantara sy ireo tany ara-tantaran' i Lovônia, i Courland, i Estônia (Estônia soedoà sy Estônia rosiana);
- ny faritany baltan' ny Empira Rosiana: i Estônia sy i Letônia ary i Litoania amin' izao fotoana izao, afa-tsy ny faritra alemàna manodidina an' i Memel.