Empira Mpanjanatany Belza

Avy amin'i Wikipedia
Sarintanin' ny zanatanin' i Belzika amin' ny fara fiitarany nandritra ny vanim-potoanan' ny ady.

Ny Empira Mpanjanatany Belza na Empira Belza dia ny fizaràn-tany rehetra notantanan' ny Fanjakan' i Belzika, voaforonin' ny zanatany sy prôtektôrata any ivelany. I Belzika tokoa dia nifehy fizaràn-tany sy tany famokarana maromaro nandritra ny vanim-potoan' ny fanjanahantany, indrindra fa i Kôngô Belza (RD Kôngô ankehitriny) nanomboka tamin' ny taona 1908 ka hatramin' ny 1960, i Ruanda-Urundi (Roanda sy Borondy) nanomboka tamin' ny taona 1922 ka hatramin' ny 1962, ary ny Enklavan' i Lado (faritanin' i Central Equatoria ankehitriny any Sodàna Atsimo) nanomboka tamin' ny taona 1884 ka hatramin' ny 1910. Nanana tany famokarana kely ihany koa izy tany Goatemala (1843–1854) sy tany famokaran' i Belzika any Tianjin ao Sina (1902–1931) ary mpiara-mitantana ny Faritra Iraisam-Pirenen' i Tanger (frantsay: Zone internationale de Tanger ; espaniôla: Zona Internacional de Tánger) ao Marôka.

Manodidina ny 98% amin' ny fizaràn-tanin' i Belzika any ampitan-dranomasina dia zanatany iray monja (tokony ho 76 heny noho i Belzika) – fantatra amin' ny anarana hoe "Kôngô Belza". Ity zanatany ity dia naorina tamin' ny taona 1908 taorian' ny famindrana ny fiandrianam-pirenena avy amin' ny Fanjakana Mahaleo tenan' Kôngô (frantsay: État indépendant du Congo), izay fananana manokan' ny mpanjakan' i Belzika, Leopold II. Ny herisetra nampiasain' ny manampahefana tao amin' ny Fanjakana Mahaleotena izay nihatra tamin' ny teratany Kôngôley sy ny rafitra tsy misy antra amin' ny fitrandrahana ara-toekarena dia nitarika ho amin' ny fanerena ara-diplômasia mahery vaika an' i Belzika mba hifehy amin' ny fomba ôfisialy ilay firenena. Ny fitondrana belzia tao Kôngô dia niorina amin' ny "trinitem-panjanahana" (trinité coloniale) izay fitambaran' ny tombontsoa ho an' ny fanjakana sy ny misiônera ary ny orinasa tsy miankina. Nandritra ny taompolo 1940 sy 1950 dia niaina fampanjariana ho tanàn-dehibe mahery vaika i Kôngô ary ny fitantanana dia nikendry ny hahatonga azy ho "zanatany môdely". Vokatry ny hetsi-panoheran' ny mpomba ny fahaleovantena, izay niely patrana sy nihamitombo hatrany, dia nahazo ny fahaleovantenany i Kôngô, ka lasa Repoblikan' i Kôngô - Léopoldville (République du Congo) tamin' ny taona 1960.

Amin' ny zanatan' i Belzika hafa, ny tena manan-danja indrindra dia i Roanda-Orondy (Ruanda-Urundi), ampahany amin' i Afrika Atsinanana Alemàna, izay nomena an' i Belzika ho tany iandraiketan' ny Fikambanan' ny Firenena, rehefa namoy ny zanataniny rehetra i Alemaina tamin' ny faran' ny Ady Lehibe I. Taorian' ny Revôlisiôna Roandey dia lasa fanjakana mahaleo tena an' i Borondy sy i Roanda tamin' ny 1962 ilay tany iandraiketana.