Diolà (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Diolà dia vondro-mpivarotra mivezivezy avy amin' ny Empira Mandinga, manam-piaviana malinke, bambara ary sôninke. Any Kôtidivoara sy any Borkina Fasô ary any Maly no tena ahitana azy ireo, any amin' ny faritra mifanitsy amin' ny faritra tranainy nanjakazakan' ny Mande, izay niaviany. Nandray anjara lehibe tamin’ ny fielezan’ ny finoana silamo tany Afrika Andrefana izy ireo.

Tany Kôtidivoara, amin' ny fikambanana teny, ny teny hoe "diola" dia niafara amin' ny fanondroana, ho an' ireo vahoaka tsy Diolà, ny mponina mozilmana rehetra mipetraka any amin' ny tapany avaratr' ilay firenena, dia ny Malinke, ny Senofo, ny Kôiaka, ny Diolaba sns.

Ny fiteny diolà izay fitenin' izy ireo dia fiteny mandinga. Fiteny ifaneraseran' ny tsy mitovy fiteny izy io, avy amin' ny fiteny bambarà, natao hanamora ny fifanakalozana. Indraindray dia afangaro amin' ny fiteny diôlà na fiteny jôlà izay tsy fiteny mandinga fa fiteny baka, ity fiteny ity.