Fiteny diôlà

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny jôlà)

Ny fiteny diôlà, antsoina koa hoe fiteny jôlà na fiteny jôôlà, dia fitohizam-piteny ao amin' ny fiteny nizerô-kôngôley ao Afrika Andrefana tenenina ao Gambia (1,2 tapitrisa mpiteny) sy ao Senegaly (Casamance: 1,2 tapitrisa mpiteny) ary ao Ginea-Bisao (0,8 tapitrisa mpiteny). Io no fitenin' ny Diôla any amin' ireo firenena telo ireo.

Fiteny ao amin' ny vondrona baka izy io, tsy mitovy amin' ny an' ny Diolà izay fiteny mandinga. Ny teny hoe "Diôla" dia anarana avy ivelany omen' ny vahoaka hafa (indrindra fa ny Mandinga) ary koa ny mpanjanaka anglisy, sy frantsay ary pôrtogey.

Ny anarana izay iantsoan' izy ireo ny tenany dia Ajamata na Ajamaata, avy amin' ny teny hoe ajamaat izay midika hoe "olona" (mifanohitra amin' ny biby). Misy anefa anarana hafa toa ny hoe Felipe na Flopa any Ginea-Bisao.

Ny fiteny diôla-fôny izay karazan' io fiteny io ao Casamance dia iray amin' ny fitenim-pirenen' i Senegaly, miaraka amin' ny fiteny vôlôfo, ny fiteny serera, ny fiteny mandinga, ny fiteny folany ary ny fiteny sôninke.