Bambara (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Zazavavy bambara

Ny Bambara dia vahoaka ao Afrika Andrefana, anisan' ny vondrona mandinga, monina indrindra any amin' ny tapany atsimon' i Maly ankehitriny, ao amin' ny faritr' i Segou sy Koulikoro (miisa 6 206 000). Misy azy ireo koa any amin' ny firenena hafa toa an' i Borkina Fasô (any atsimo) sy i Kôtidivoara (any avaratra), any Senegaly (miisa 122 000) ary any Gambia (miisa 5 000). Mitotaly any amin' ny 8 656 000 izy ireo. Nanomboka tamin' ny faran' ny taonjato faha-17 ka hatramin' ny tapaky ny taonjato faha-19 dia nisy ny Fanjakan' i Ségou (fanjakana bambara). Ny Bambara dia miteny bambara, izay isan' ny fiteny mandinga. Atao hoe Bamanàna na Bamanano na Bamàna na Banamàna koa izy ireo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]