Ségou

Avy amin'i Wikipedia
Ségou

I Ségou dia tanàna sady kaominina any amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Malỳ, any amin' ny ony Niger, 240 km miala an' i Bamako. I Ségou no toeram-pivarotana amin' ny faritra fambolena be rano, mamokatra landihazo, vary, ampemba ary voanjo. Ny orinasa fanodinana landihazo sy ny indostrian' ny sakafo no betsaka. I Ségou no renivohitry ny Fanjakana Bambara taloha tamin’ ny taonjato fahéa-17 sy faha-18, avy eo dia teo ambany fahefan’ i el-Hadj Omar lehiben’ ny foko Tokolera tamin’ ny taona 1861, talohan’ ny nahatongavan' ny Frantsay tamin’ ny taona 1890.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Bamako - Gao - Kayes - Kidal - Koulikoro - Mopti - Ségou - Sikasso - Tombouctou