Klemento avy any Roma
Klemento avy any Roma
| |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Klemento avy any Roma | ||
Teraka | Taona 40 | ||
Maty | Taona 99 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Empira Romana | ||
Asa : | |||
Fiainana manokana | |||
I Klemento avy any Roma na Klemento I dia mpanao asa soratra mizaka ny zom-pirenen'i Empira Romana teraka tamin'ny taona 40 tao Roma ary maty tamin'ny taona 99 tao Roma. Atao hoe Clemens Romanus) izy amin'ny teny latina. Isan'ireo Rain'ny Fiangonana atao hoe Ray Apostolika izy. Araka ny filazan'i Ireneo dia eveka fahatelo tao Roma i Klemento sady nifankalala amin'i Petera sy Paoly. Ray Apostolika voalohany sady papa izy, nanoratra epistily iray izay nalefan'ny Fiangonan'i Roma tamin'ny taonjato voalohany ho an'ny Fiangonana any Korinto. Fantatra noho io taratasy io sy nohio ny vavolombelona maro ny momba azy
Araka an'i Ireneo avy any Logdanoma sy i Tertoliano ary i Eosebiosy avy any Kaisarea fa i Klemento dia iray amin'ireo eveka voalohan'i Roma, mpadimby an'i Petera. Ankehitriny dia ataon'ny Katolika romana ho papa fahefatra izy (Papa Klemento I).
Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
- Ray apostolika:
- Klemento avy any Roma,
- Ignatio avy any Antiokia,
- Polikarpo avy any Smirna
- Papiasy avy any Hierapolisy.
Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]
- Ao amin'i Freebase: [1]