Hankany amin'ny vontoatiny

Communauté économique des États de l'Afrique de l'Ouest

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny CEDEAO)
Sainan' ny CEDEAO

Ny Communauté économique des États de l'Afrique de l'Ouest (CDEAO) amin' ny teny frantsay, na Economic Community of West African States (ECOWAS) amin' ny teny anglisy na Comunidade Económica dos Estados da África Ocidental (CEDEAO) amin' ny teny pôrtogey, izay azo adika amin' ny teny mlagasy hoe Vondrona ara-Toekaren' ny Firenen' i Afrika Andrefana, dia iray amin' ny fikambanana iraisam-pirenenaara-toekarena ao Afrika Andrefana, natsangana tamin' ny 28 May 1975.

Ity rafitra ity dia natao handrindrana ny hetsika ataon' ny firenen' i Afrika Andrefana. Ny tanjony dia ny hampiroborobo ny fiaraha-miasa sy fampidirana amin' ny tanjona amin' ny fananganana vondrona ara-toekarena sy ara-bola ao Afrika Andrefana.

Sarintany maneho ny firenena mpikambana ao amin' ny CEDEAO teo aloha

Tamin' ny taona 1990 dia nitarina tamin' ny fitandroana ny fitoniana isam-paritra ny fahefany tamin' ny nananganana ny l'Economic Community of West African States Cease-fire Monitoring Group, izay vondrona miaramila mpiditra an-tsehatra izay lasa maharitra nanomboka tamin' ny taona 1999. Ny ECOWAS na CEDEAO ankehitriny dia misy firenena mpikambana miisa 15. Tamin' ny taona 2020 dia mitentina 686 000 tapitrisa dôlara amerikana ny harin-karena faoben' ny firenena mpikambana ao.

Na dia ara-toekarena fotsiny aza ny anjara asany tamin' ny voalohany dia nanjary liana tamin' ny fitandroana ny fandriam-pahalemana koa ny CEDEAO. Fepetra ilaina mba hahatanterahana ny firaisana tokoa izany. Ankoatra izay, ny CEDEAO dia namorona fotodrafitrasa momba ny fitaterana sy ny fifandraisan-davitra.

Sarintany maneho ny firenena mpikambana ao amin' ny CEDEAO ankehitriny

Indreto ny firenena mpikambana ao: Benîno, Borkina Fasô (naato), Gambia, Ganà, Ginea (naato), Ginea-Bisao, Kapvera, Kôtidivoara, Liberià, Maly (naato), Nizera (naato), Nizerià, Senegaly, Siera Leôna ary Tôgô. Mpikambana mpiara-miasa i Maoritania.

I Nizera sy i Maly ary Borkina Fasô dia nanambara fa handao ny fikambanana amin' ny 28 Janoary 2024, fabapahan-kevitra tsy mbola nisy toy izany hatramin' ny nananganana ny ECOWAS, izay niresaka ny amin' ny tsy fahampian' ny fanampiana avy amin' ny fikambanana manoloana ny fampihorohoroana ary miampanga azy io ho eo ambanin' ny lalàna sy ny fahefan' ny firenena vahiny.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]