Aller au contenu

Borona

Avy amin'i Wikipedia

Ny borona dia karazana zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Lamiaceae, maniry eto Madagasikara. Ny anarany ara-tsiansa dia Tetradenia fruticosa.

Fampiasan' ny Malagasy azy

[hanova | hanova ny fango]

Ampiasaina teo amin' ny fitsaboana nentim-paharazana ity zavamaniry ity. Tanehina sy sotroina amin' ny aretim-pivalanana (disanteria na fivalanan-dra sy diarea na tsirirìka)[1]. Ny ranoka mivoaka amin' ny tahony, izay notapatapahina na notetehina, nasiana rano matimaty, dia fanafody natao hampandoa[1][2]. Ampiasaina hitsaboana ny hatina (na lagaly) ihany koa ny raviny torotoroina sy afangaro amin' ny zavatra hafa[1][2]. Ny ranony avy amin' ny raviny dia natao ody fery mba tsy hampisy nana ny ratra, ny fakany dia notorotoroina avy eo sotroina mba hitsaboana ny aretin-koditra[2]. [2].

Nampiasaina tamin' ny sampy

[hanova | hanova ny fango]

Ny tsiraka avy amin' ny hoditr' io zavamaniry io dia nanaovana ny akanjon' Ikelimalaza sy zavatra hafa momba ity sampy lehibe indrindra tao Imerina ity, ka hatramin' izay dia tsy mbola nampiasain' ny mponina eny Ambohimanambola (toerana nitehirizana an' ilay sampy) hatao kitay ny borona[1][2].

Noho izany, ity zavamaniry ity dia nolazain' ny Ntaolo malagasy ho mahaboka raha atao kitay, nefa nataony fanafody amin' ny ferifery sy nanasitranany ny fivontosana mahavoa ny biby ompiana"[3]. Noho ny antony mitovitovy amin' izany iahany dia tsy azo ampiasaina hatao kitay mihitsy ny tenina (Imperata cylindrica) sy ny horondrano (Rhytachne caespitosa) amin' io tanàna io[1].

Sakafon' ny bibin-dandy

[hanova | hanova ny fango]

Ny raviny dia amahanana ny bibin-dandy atao hoe landibe[2].

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. 1,0 1,1 1,2 1,3 et 1,4 Richardson James, "borona", A New Malagasy-English Dictionary, England. 1885.
  2. 2,0 2,1 2,2 2,3 2,4 et 2,5 Boiteau Pierre, "Borona", Dictionnaire des noms malgaches de végétaux, Editions Alzieu, 1999.
  3. Régis Rajemisa Raolison, "borona", Rakibolana Malagasy, Editions Ambozontany, Analamahitsy, 1985.