Aller au contenu

James Richardson (misiônera)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Richardson James)

I James Richardson dia misiônera tao amin' ny London Missionary Society (LMS). Tonga tao Antananarivo tamin' ny 19 Jona 1869. Rehefa avy niasa tao amin' ny distrikan' i Fianarantsoa izy dia voatendry ho talen' ny Normal School tao Antananarivo. Tamin' ny taona 1885 izy dia namoaka rakibolana malagasy-anglisy (A New Malagasy-English Dictionary), indrindra momba ny anaran-javamaniry sy ny anaram-biby. Nandao an' i Madagasikara izy tamin' ny taona 1897.