Aller au contenu

Horondrano

Avy amin'i Wikipedia

Ny horondrano dia zavamaniry ahitra ao amin' ny fianakaviana Poaceae. Ity ahitra ity dia maniry mivondrona eo amin' ny ny tanimbary. Rhytachne caespitosa na Rhytachne rottboellioides no anarany ara-tsiansa.

Eto Madagasikara, indrindra any afovoan-tany, izy ity dia ampiasaina indrindra amin' ny fanaovana tafon-trano. Fampiasana amin' ny fandrariana sy ny fanaovana borosim-bolo, kifafa. Tsy mety atao vilona ho sakafom-biby ity zavamaniry ity.