Bodisma ao Indônezia

Avy amin'i Wikipedia

Ny bodisma ao Indônezia dia iray amin'ireo fivavahana dimy eken'ny fitondrana indôneziana sady tsy maintsy isafidian'ny olom-pirenena indôneziana hosoratana ao amin'ny karapanondrony, tamin'ny andron'i Soeharto. Tamin'ny taona 1998 dia ny 88%n'ny Indôneziana dia Miozolmana, ny 5% Protestanta, ny 3% Katôlika, ny 2% Hindo, ny 1% Bodista ary ny 1% sisa dia ifampizaràn'ny fiangonana hafa.

I Indônezia dia tsy mamela ny fananany singan-kolontsaina hindo sy bodista izay nolovany tamin'ny Andro Taoha. Ahitana taratra an'izany ny fampiasan'ny Repoblika ilay tombokase atao hoe Garuda (vorona ao amin'ny fedrà hindo izay ampiasaina ho fiara (vāhana) hiondranan'i Vishnu mankety ambonin'ny tany, sy ny anaran'ny kômpaniam-pitaterana ana habakabaka atao hoe Garuda Indonesia.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Ny bodisma dia efa fivavanan'ny mponina tao Indônezia tamin'ny Andro Taloha, araka ny hita amin'ireo zavatra miorina momba ny fivavana bodista, ka ny malaza indrindra amin'izany dia ny tempolin'i Borobudur. Tamin'ny taonjato faha-7 dia nijanona tao à Sriwijaya, (atao ankehitriny hoe Palembang) ao atsimlon'i Somatra, ilay monka (na moàna) bodista sinoa atao hoe I-Tsing (na Yi Jing) raha teny an-dalana ho any India.

Tamin'ny taona 1934 dia nankany amin'izay atao ankehitriny hoe India neerlandey ilay misioneran'i Ceylan (atao ankehitriny hoe Sri-Lanka) atao hoe Narada Thera, raha nandeha mba hampiely ny fampianarana bodista (na dharma) any Azia Atsimo-Atsinanana. Fotoana nahafahan'ireo Bodista eo an-toerana hampiaina indray ny fivavahany izany. Nisy ny lanonam-panorenana ny hazo bodhi tao Borobudur tamin'ny taona 1934 teo ambany fitsofan-dranon'i Narda Thera, ary upasakas maro no nohosorana ho monka (na moanina).

Tamin'ny taona 1955 dia nisy monka atao hoe Ashin Jinarakkhita izay nitety an'i Indônezia mba hampiely ny dharma. Hatramin'izay dia nisy fifohazana indray ny bodisma teravada tao Indônezia izay notarihin'ny monka nahazo fiofanana tany Tailandy, nanampy ny bodisma mahaiana. Ankehitriny dia misy Bodista miisa eo anelanelan'ny 2 sy 3 tapitrisa ny ao Indônezia, izay miparitaka manerana ny saikanosy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]