Vishnu

Avy amin'i Wikipedia
Sary:Bhagavan Vishnu.jpg
I Vishnu

I Vishnu dia iray amin' ireo andriamanitra ao amin' ny fivavahana hindo. Amin' ny teny sanskrita dia atao hoe विष्णु / Viṣṇu, fa amin' ny teny tamily kosa dia atao hoe விஷ்ணு. Antsoina hoe Hari, Padmanabhi na Padmanabha koa i Vishnu. Izy no andriamanitra fahatelo manaraka an' i Brahma sy i Shiva ao amin' ny trinite hindo (त्रिमूर्ति / trimūrti "endrika telo"). Ny trimurti dia tsingerim-pisehoan' izao rehetra izao, fitehirizana izao tontolo izao ary faharavan' izao tontolo izao, ka i Brahma no mpahary, i Vishnu no mpiaro ary i Shiva no mpandrava. Fantatra amin' ny alalan' ny endri-pisehoany (अवतार / avatâra "fidinana",izany hoe "fidinana avy any an-danitra") maro i Vishnu. Izy no andriamani-dehibe ao amin' ny visnoisma, izay iray amin' ireo sekoly lehibe mifampizara ny hindoisma amin' ny sivaisma. I Vishnu dia matetika aseho amin' ny alalan' ny olona miloko manga manao fitafiana sy fihaingoa-mpanjaka sady manana tanana miisa efatra.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]