Bhagavan

Avy amin'i Wikipedia
Ny Bhagavan Krishna avec Radharani (namany).

Ny teny hoe Bhagavan na Bhagwan na Bhagavat na Bhagavant dia anarana ao amin' ny fivavahana indiana ampiasaina hanondroana ny andriamanitra ivavahana. Ao amin' ny hindoisma dia ampiasaina hanondroana ny andriamanitra na ny avatar, indrindra ho an' i Krishna sy i Vishnu amin' ny visnoisma, i Shiva amin' ny sivaisma ary i Durga na Adi Shakti amin' ny saktisma. Ao amin' ny jainisma ilay teny dia manondro ny Tirthankara ary amin' ny bodisma dia manondro ny Buddha (izay atao hoe Siddhartha Gautama). Amin' ny teny sanskrita izany dia atao hoe: भगवान् / Bhagavān; fa amin' ny teny paly kosa dia Bhagavā, izay indraindray adika hoe "Tompo" na "Andriamanitra".

Any amin' ny faritra maro any India sy Azia Atsimo, ny Bhagavan dia maneho ny atao hoe "Andriamanitra manerana izao rehetra izao" ho an' ny Hindo izay ara-panahy sy ara-pivavahana nefa tsy mivavaka amin' andriamanitra iray manokana.

Ao amin' ny literatioran-tsekoly bhakti, io teny io dia matetika ampiasaina hanondroana ny andriamanitra rehetra izay anolorana vavaka. Matetika dia andriamanitra iray manokana no Bhagavan anoloran' ny mpivavaka ny tenany. Ny karazany vavy amin' ny Bhagavān dia Bhagavati. Ho an' ny Hindo sasany, ny teny hoe Bhagavan dia hevitra fotsiny momba an' Andriamanitra tsy misy endrika, tsy lahy tsy vavy.

Ao amin' ny lahatsoratra paly sy sanskrita ao amin' ny bodisma dia ampiasaina hanondroana an' i Gautama Buddha io teny io, izay ilazana azy ho Bhagavā na Bhagavān (adika amin' ny hoe "Tompo" na "Ilay Voatahy"). Ny teny hoe Bhagavan dia hita ao amin' ny lahatsoratra teravada, mahaiana ary tantra.

Le terme Bhagavān n'apparaît pas dans les Vedas ni dans les Upanishads. Les anciens textes sanskrit utilisent le terme Brahman pour désigner l'âme suprême, la réalité absolue,. Le mot Bhagavān apparaît plus tardivement, on le trouve notamment dans la Bhagavad Gita et les Puranas.

Ny teny hoe Bhagavān dia tsy hita ao amin' ny Veda na ny Upanishad. Ny soratra sanskrita fahiny dia mampiasa ny teny hoe Brahman mba hanondroana ny fanahy faratampony. Ny teny hoe Bhagavān dia niseho taty aoriana, indrindra ao amin' ny Bhagavad Gita sy ny Purana.