Tirthankara

Avy amin'i Wikipedia
Ny Tirthankara 24 ao amin' ny jainisma

Ny Tîrthankara na Tîrthakara dia ireo mpampianatra ao amin' ny jainisma izay raisina ho fahazavan' ny finoan' ny jainisma satria nahatratra ny toetry ny mahalala ny zavatra rehetra (Kevala Jnana) izay nahafahan' izy ireo nampianatra ny lalan' ny moksha, ny fahazavana. Avy eo ny fanafahana, ny nirvana, dia namoaka azy ireo avy tao amin' ny samsara. Ny teny hoe Tirthankara dia midika hoe: "mpamorona lalana" na "mpanorina tetezana" mamakivaky ny "onin' ny fahorian' olombelona", na "mpanorina ny fikambanana (ara-pivavahana)". Miisa 720 izy ireo araka ny fanao ezôterika, fa ny 24 farany ihany no hajaina ara-pivavahana.