Aller au contenu

Antimoanina

Avy amin'i Wikipedia
Kristaly antimoanina

Ny antimoanina dia singa simika, fotsy toy ny volafotsy, mora vaky, izay, amin' ny ankapobeny, manana ny toetra ny metaly, saingy indraindray dia mampiseho ny toetran' ny singa tsy metaly. Misy amin' ny endrika samihafa izy io. Ny mahazatra indrindra dia ny endrika metaly. Ny eva anehoana azy dia Sb (Stibium) manana ny laharana atômika 51. Ny antimoanina no singa voajanahary faha-64 be indrindra ao amin' ny hoditry ny Tany. Ny lanja atômikany dia 121,75. Mitsonika izy manodidina ny 630 °C, manodidina ny 1 750 °C izy no mangotraka ary 6,7 ny hakitrony. Manana hamafy 3 izy.

Indraindray dia hita amin' ny endrika mitokana izy ary matetika miaraka amin' ny volafotsy, ny arsenika na ny bismota. Ny akora misy ny antimoanina dia ny stibinina, izay solfida-na antimoanina trandrahana any Sina, any Frantsa, any Italia, any Japàna, any Meksika, ary kely kokoa any Etazonia. Antimoanina be dia be no azo avy amin' ny fanadiovana ny varahina sy ny firaka.

Ny antimoanina ranoka dia manana toetra miavaka noho izy miitatra rehefa mangatsiaka sy mivaingana. Izany dia ahafagabny mameno ny triatra anaty lasitra ary ahazoana zavatra vita amin' ny vy anidina tena maranitra. Ny antimoanina koa dia ampiasaina amin' ny tsama metaly maro hafa toy ny firaka mafy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]