Amalekita

Avy amin'i Wikipedia

Ny Amalekita (na Amalesita) dia foko mpifindrafindra toerana resahina ao amin'ny Baiboly, taranak'i Amaleka, izay nivelona tany amin'ny tapany atsimon'i Jodea, eo anelanelan'i Idomea sy ny tany efitr'i Sinay (na Sinai) any Egipta. Araka ny Baiboly dia niady matetika tamin'ny Israelita izay nihevitra azy ho foko voaozona izay ireo. Nandidy an'i Saoly (na Saola) Andriamanitra mba handringana ny Amalekita ka niady tamin'izy ireo sady nandresy azy ireo ny Israelita nefa tsy namono an'i Agaga mpanjakan'ny Amalekita i Saoly. Izany tsy fanajana ny baikon'Andriamanitra izany no nahatonga ny fahataperan'ny maha mpanjaka an'i Saoly ka i Davida no voahosotra handimby azy.

Araka ny Bokin'i Estera dia saika ripaka ny Jiosy tamin'ny fotoan'ny fahababoana tany Babilona noho ny nataon'i Hamàna zanak'i Hamedata taranak'i Agaga mpanjakan'ny Amalekita.

Araka ny angano arabo talohan'ny niforonan'ny fivavahana silamo dia isan'ireo firenena arabo fito nanjavona ka tsy hita intsony ny Amalekita.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]