Abidy arameana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Sora-tsokitra amin'ny fiteny roa, dia ny ny grika sy ny arameana, hita ao Kandahar ao Afganistàna, vita tamin'ny andron'ny emperora maoria Ashoka (taonjato faha-3 tal. J.K.).

Ny abidy arameana dia abidy tsy ahitana zanatsoratra fa renisoratra nampiasaina tamin'ny Andro Taloha. Abjady toy ny ankamaroan'ny abidy anoratana ny fiteny semitika maro ny abidy arameana. Io abidy io dia nanana ny lanjany eo amin'ny tantara satria saika ny abidy ampiasaina ankehitriny ao Atsinanana Akaiky, toraka izany koa ny abidy amaro (ankoatry ny abidy sinoa) ampiasaina ao Azia Afovoany sy Atsinanana, noho ny fampiasana ny fiteny arameana izay niely amin'ny maha fitenim-pifandraisan'ny samy hafa firena azy, sy noho ny maha fiteny ofisialin'ny Empira neo-asiriana sy an'ny Empira akemenida azy. Ny abidy hebreo no manakaiky indrindra ny abidy arameanan'ny empira tamin'ny taonjato faha-5 tal. J.K., izay ahitana litera mitovy endrika amin'ny ankapobeny. Alefa avy ankavanana miankavia ny soratra arameana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]