Aller au contenu

Zezi-pahitra

Avy amin'i Wikipedia
Ny zezi-pahitra dia matetika fifangaroan' ny taim-biby sy ny mololo, toy ny hita amin' ity ohatra avy amin' ny tranon-tsoavaly ity.

Ny zezi-pahitra dia zezika azo avy amin' ny faika mivaingana na somary misy avoakan' ny zavamananaina, toy ny taim-biby mivaingana sy ny amanim-biby miaraka amin' ny lafika mpitroka loto toy ny mololo, ny ampanga, taimbankona, sns. Aparitaka sy alevina eny an-tanimboly ny zezi-pahitra tsotra na mifangaro mba ho lasa zezika ôrganika sy hanatsarana ny tany fambolena. Raha ampiasaina araka ny tokony ho izy ny zezi-pahitra dia mandray anjara amin' ny fitazonana ny fahavokaran' ny tany, amin' ny fanatsarana ny firafitry ny nofon-tany, amin' ny fitazonana ny fatrankirika, ary amin' ny fahafahany mitahiry rano, izany hoe amin' ny fikojakojana sy fanatsarana ny tany amin' ny ankapobeny. Ny zezi-pahitra mifangaro amin' ny tany dia mihapotika sy manome otrikaina, anisan' izany ny azôta sy ny pôtasiôma ary ny fôsfôro, izay azon' ny voly trohina sady ilaina amin' ny sakafon' ny voly.

Maro ny karazan-javamananaina mihinana sy manova ny zezi-pahitra, ka anisanr' izany ny bibikely sy ny holatra.