Ampanga

Avy amin'i Wikipedia
Ampanga

Ny ampanga dia zavamaniry misy karazana 13 000 eo ho eo. Ny telo ampahefatry ny karazany dia hita amin' ny faritra trôpikaly ary ny ankabetahan' ireo apanga trôpikaly ireo dia maniry amin' ny zavamaniry hafa nefa tsy mitsetsitra azy ireo. Mametra ny toerana misy azy any amin' ny tany mando ny fomba fananahany. Atao hoe Filicophyta ny anarany ara-tsiansa.