Aller au contenu

Zavamaniry

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Zava-maniry)
Ny ahidrano maintso Ulva intestinalis

Ny zavamaniry dia zavamananaina mitombo sy miaina ary miteraka fa tsy afaka miala amin' ny toerana iray an-tsitrapo. Amin' ny heviny nentim-paharazana, io teny io dia ilazana zavamananaina izay kely na tsy manana famaliana ny fanairana avy amin' ny tontolo ivelany, ka izany no nahatonga azy taloha hanambatra ny Plantae sy ny ahidrano ary ny holatra. Ao amin' ny sehatry ny siansa, ny teny hoe "zavamaniry" dia tsy manana heviny mazava ary ilay antsoina hoe "Fanjakan' ny Zavamaniry" na Vegetalia dia voan-kevitra efa lany andro.

Araka ny fanasokajiana ara-tsiansa mahazatra taloha, ny zavamaniry ao amin' ny fanjakana Vegetalia dia zavamananaina maro sela eokariôta (Eukaryota) faritana amin' ny fahaizany manao fotôsentezy. Araka ny fiforonan' io teny io, ny Vegetalia dia zavamananaina isan-karazany izay "maniry" izany hoe miaina, misakafo ary mitombo. Raha faritana ho fitambaran' ny zavamananaina fantatra amin' ny anarana hoe "zavamaniry maitso" ireo izay atao hoe Plantae, dia mamorona vondrona mônôfoletika, ahitana ny ahidrano maitso sy ny zavamaniry an-tanety, izay mahaforona ny taksônan' ny Chlorobionta. Anisan' ny zavamaniry noho izany ny Plantae sy ny Algae (ahidrano). Na izany aza, amin' ny hevitra filôjenetika, ary amin' ny fanasokajiana môderina, ny "fanjakan' ny Vegetalia" araka ny hevitr' io teny io nentim-paharazana dia tsy misy intsony, satria mitsinjara amin' ny klady maromaro samihafa, ary ny hoe "zavamaniry" na "vegetal" dia teny manjavozavo ankehitriny ao amin' ny fandalinana siantifika.

Sistematika

[hanova | hanova ny fango]
Marchantiophyta

Ny Vegetalia dia famondronana pôlifiletika misy zavamananaina manao fôtôsentezy izay manana sela misy rindrina vita amin' ny selolôzy. Ity vondrona ity dia mitsinjara ho zava-bondrona roa:

Ny holatra, na dia "zavamaniry" aza dia tsy anisan' ny Vegetalia sy ny Platae.

Satria tsy manao fôtôsintezy ny holatra dia tsy natao anian' ny Vegetalia intsony ny holatra, fa mandrafitra ny fanjakana atao hoe Fungi.

Volombato (Bryophyta) hita teo ambony vatolampy tany Nunniong, any Aostralia

Ny bôtanika, izay taranja andalinana ny "zavamaniry", dia namaritra tany am-piandohan' ny taonjato faha-21: karazana volombato 10 000 sy hepatika 4 000; karazana ampanga 20 000, izay lasa nitombo karazana hatramin' ny fiandohan' ny Karbônifera; karazana ao amin' ny Gymnospermae (Pinophyta na kônifera, Cycadales, Gnetales) 900, nitombo karazana angamba hatramin' ny nifaranan' ny Karbônifera; 300 000 karazana zavamaniry mamelana, nitombo karazana hatramin'ny Kretase.

Ny ahidrano dia mamorona vondrona pôlifiletika: ny sasany dia anisan' ny Plantae (Glaucophyta, ahidrano maitso sy Rhodophyta na ahidrano mena, sns.) fa ny hafa kosa tsy anisan' ny Plantae (Phaeophyceae na ahidrano manja sy Bacillariophyta na diatômea izay Heterokonta). Izany no nahatonga ny bôtanika nandao tsikelikely ny teny hoe "zavamaniry" izay nanjary tsy mazava loatra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]