William Tyndale

Avy amin'i Wikipedia
I William Tyndale

I William Tyndale na Tindale dia Prôtestanta anglisy izay fantatra tamin' ny alalan' ny maha mpandika teny voalohany ny Testamenta Vaovao avy amin' ny fiteny grika ho amin' ny fiteny anglisy antenatenany, izay fiteny notenenin' ny olona tamin' ny fotoan' androny. Teraka tao Gloucestershire tamin' ny taona 1494 izy ary maty nokendaina tamin' ny 6 Ôktôbra 1536 tao Vilvorde. Manampahaizana namirapiratra i Tyndale, izay niteny hebreo sy grika sy espaniôla sy anglisy ary frantsay izay voalaza fa noteneniny sahala amin' ny fiteny nitaizana azy. Nisy akony lehibe teo amin' ny fivoaran' i Angletera ara-pivavahana tamin' ny taonjato faha-16 sy teo amin' ny fiteny anglisy ny fandikan-teny nataony amin' ny Baiboly.