Hankany amin'ny vontoatiny

Wikipedia amin' ny teny malagasy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Wikipedia miteny malagasy)
Sary famantarana ny Wikipedia amin' ny teny malagasy

Ny Wikipedia amin'ny teny malagasy (malagasy: Wikipedia Raki-pahalalana malalaja) dia tetikasa iray an'ny Wikimedia Foundation. Ny kaodim-piteny ampiasainy dia "mg", ampiasaina ho an'ny fiteny malagasy amin'ny ankapobeny. Ny Wikipedia amin'ny teny malagasy dia nosokafana tamin' ny taona 2004.

Pejy fandraisan'ny Wikipedia amin'ny teny malagasy

Tamin'ny 28 jolay 2025 dia misy lahatsoratra miisa 100 616 ny Wikipedia amin'ny teny malagasy ary misy mpikambana miisa 36 116, ahitana mpikambana mavitrika 63 sy mpandrindra 2. Izy irery ankehitriny no tetikasa Wikipedia soratana amin' ny fiteny baritô.

Ny toerana misy ny mpiteny malagasy dia aty Madagasikara amin'ny ankapobeny (manakaiky ny efapolo tapitrisa). Na dia izany aza raha oharina amin'ny fiteny hafa izay manana teny teratany ho fiteny ôfisialy, vitsy ny mpitsidika avy eto Madagasikara mitsidika ny Wikipedia amin'ny fiteny malagasy[1], ary vitsy ny mpitsidika ny Wikipedia amin'ny teny malagasy eto Madagasikara[2].

Fiteny ampiasaina amin' ny votoatiny

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny tena ampiasaina amin' ny fanoratana ny lahatsoratra amin' ny teny malagasy dia ny fiteny malagasy ôfisialy. Na dia izany aza tsy ny fiteny malagasy ôfisialy ihany no azo ampiasaina eto amin' ny Wikipedia amin' ny teny malagasy fa ekena avokoa ny fitenim-paritra rehetra. Araka izany ny kaodim-piteny ampiasaina ho an'ny fiteny malagasy dia "mg" fa tsy "plt", izay natao ho an'ny fiteny malagasy tenenina eo amin' ny faritra afovoan'i Madagasikara.

Fivoaran' ny isan' ny lahatsoratra

[hanova | hanova ny fango]

Tamin'ny volana Aogositra 2012, lasa Wikipedia amin' ny fiteny afrikanina lehibe indrindra ny Wikipedia amin' ny teny malagasy izay nahitana lahatsoratra 38 000 sy mpikambana 4 900. Ny Wikipedia amin' ny teny afrikanina manaraka azy dia ny Wikipedia amin' ny teny soahily sy ny Wikipedia amin' ny teny iôroba izay manana lahatsoratra niisa 30 000 sy 24 000. Telo volana sy tapany taty aoriana tamin' ny volana Desambra 2012, dia nihoatra ny 40 000 ny isan' ny lahatsoratra, izay nahatonga ny Wikipedia malagasy ho Wikipedia voalohany indrindra manana lahatsoratra efatra alina.

Tamin' ny Jolay 2020 dia efa nisy lahatsoratra 90 000 teo ho eo. Nahatratra ny isa 100 000 ny Wikipedia amin' ny teny malagasy tamin' ny 7 Jona 2025 (laharana faha-61 maneran-tany).

Tamin' ny 28 Jolay 2025 dia izy no Wikipedia amin' ny teny afrikana laharana faha-4 raha ny habetsaky ny lahatsoratra no heverina (lahatsoratra 100 614), eo aorian' ny Wikipedia amin' ny teny arabo ejiptiana (lahatsoratra 1 628 231), amin' ny teny afrikansa (lahatsoratra 125 505), amin' ny teny soahily (lahatsoratra 100 838) ary eo alohan' ny Wikipedia amin' ny teny haosa (lahatsoratra 63 489), amin' ny teny igbô (lahatsoratra 43 154), amin' ny teny iôroba (lahatsoratra 35 508).

Tamin' io daty io ihany dia izy no Wikipedia amin' ny fiteny aostrôneziana laharana faha-6 aorian' ny Wikipedia amin' ny teny seboanô (lahatsoratra 6 116 227), amin' ny teny oaray-oaray (lahatsoratra 1 266 721), amin' ny teny indôneziana (lahatsoratra 736 652), amin' ny teny maley (lahatsoratra 430 606), ary amin' ny teny minangkabao (lahatsoratra 228 478).

  • Aprily 2004 : Daty nanokafany ny Wikipedia amin' ny teny malagasy.
  • Oktobra 2005 : Famaranana ny lahatsoratra faha-100.
  • Aprily 2009 : 1 000 ny isan' ny lahatsoratra.
  • Janoary 2010 : 2 000 ny isan' ny lahatsoratra
  • 6 Mey 2011 : 10 000 ny isan' ny lahatsoratra
  • Jolay 2020 dia efa nisy lahatsoratra 90 000 teo ho eo.
  • Nahatratra ny isa 100 000 ny Wikipedia amin' ny teny malagasy tamin' ny 7 Jona 2025.
  • 28 Jolay 2025, ny Wikipedia malagasy dia manana lahatsoratra miisa 100 614.
  • Androany Talata faha 9 ny volana Desambra 2025, ny Wikipedia malagasy dia manana lahatsoratra miisa 101 544.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Wikimedia traffic analysis report". Archived from the original on 2011-08-16. Retrieved 2013-03-29.
  2. "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2019-01-06. Retrieved 2013-03-29.