Wikipedia:Takelaka/9 2022

Avy amin'i Wikipedia
Fampiakarana an' i Maria, nataon'i Fermo Ghisoni da Caravaggio tamin'ny taonjato faha-16.

Ny Fampiakarana an' i Maria any an-danitra, dia finoana katôlika sy ôrtôdôksa izay milaza fa tsy maty sahala amin' ny be sy ny maro i Maria renin' i Jesoa fa niditra avy hatrany any amin' ny voninahitr' Andriamanitra, ka lazaina koa ho "fiakarana any an-danitra" izany

Tsy misy fototra mivantana avy amin' ny Baiboly ny finoana ny amin' ny fampiakarana an' i Maria any an-danitra nefa efa nisy ela tao amin' ny Lovam-pampianaran' ny Fiangonana tany Atsinanana sy tany Andrefana izay nankalaza azy nanomboka tamin' ny taonjato faha-8. Ny Fiangonana tandrefana dia nandraikitra azy ho tenim-pinoana (na dôgma) tamin' ny taona 1950 (tamin' ny alalan' ny kônstitosiôna apôstôlika Munificentissimus Deus nataon' papa Pio XII). Fampiharana voalohany sady tokana ny tsy fetezan-dison' ny papa izay notapahina nandritra ny Kônsily Vatikàna I izany. Ny Fiangonana tatsinanana kosa dia tsy namaritra an' izany ho tenim-pinoana. "Torimason' ny Renin' Andriamanitra" no ilazan' ny Ôrtôdôksa an' izany fa tsy "Fampiakarana". (tohiny...)