Wikipedia:Takelaka/8 2020

Avy amin'i Wikipedia

Ny matoanteny dia teny (sokajin-teny) izay ampiasaina ao amin'ny fehezanteny na fehezankevitra mba hilazana asa na toetra na fifandraisana na fisehoan-javatra ka mety miovaova endrika (maneho fotoana, fiendrika, filaza, fanehoan-javatra sns. arakaraka ny fiteny), nefa misy koa ny fiteny tsy manova ny endriky ny matoanteny mihitsy. Ny isan'ireo antom-piovan'endriky ny matoanteny ireo dia miovaova araka ny fiteny. Mety hifandray amin'ny endriky ny teny mifandray aminy mivantana izany fiovan'endriky ny matoanteny izany ka isan'izany ny maha tokana na maro na ny maha kandahy na kambavy ny mpandray anjara (lazaina, fameno, sns), sns. Ireto misy matoanteny amin'ny fiteny malagasy: mihinana, mandehana, nifampijerena, sns. (tohiny...)