Wikipedia:Takelaka/5 2019

Avy amin'i Wikipedia

Ny Taom-baovao malagasy dia ny fiandohan'ny taona malagasy sy ny fankalazana izany izay mitranga eto Madagasikara sy any ivelany koa amin'ny andro voalohan'ny taona voafaritra araka ny tetiandrom-panandroam-bolana na amin'ny fomba hafa.

Amin'izao taonjato faha-21 izao dia mizara ny hevitr'ireo mpankalaza ny taom-baovao malagasy. Ao ny mitazona ny daty amin'ny fizaran-taona fararano, izay heverin'ny mpomba izany hevitra izany fa mifanandrify amin'ny Alahamadibe taloha, ka mankalaza ny taom-baovao amin'ny volana Marsa na Avrily. Ao koa ireo mitana ny daty ao amin'ny lohataona ka amin'ny volana Septambra no ankalazana izany. Ity vanim-potoana faharoa ity dia fantatra koa amin'ny anarana hoe Volambita, araka ny anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny sanskrity. Ao koa ireo manaraka ny tetiandro malagasy manara-bolana tanteraka ka tsy mihazona volana na daty gregoriana raikitra hankalazany ny taom-baovao malagasy.

Misy ny mihevitra izany tsy fifanarahan-kevitry ny mpankalaza ny taom-baovao malagasy izany ho olana tokony ho vahana, nefa ao koa ireo mihevitra izany fahamaroan'ny andro fankalazana izany ho fananan'ny Malagasy harena ara-kolontsaina.

Ny tena mafana fo amin'ny fankalazana ny taom-baovao, indrindra ilay heverina fa mifanadrify amin'ny tsinanana Alahamady, dia ireo lazaina fa taranak'andriana merina ao Antananarivo sy ny manodidina, nefa misy koa matetika ny fanasana ireo ampanjaka sy tangalamena sns avy any ivelan'Antananarivo. (tohiny...)