Wikipedia:Takelaka/3 2023

Avy amin'i Wikipedia
Lelavola 20 hryvnia ahitana ny sarin' i Ivan Franko.

Ny toekaren' i Okraina dia miompaa amin' ny fambolena sy ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany. Hatramin' ny nahazoany ny fahaleovan-tenany anefa dia niaina fahasahiranana ara-toekarena lehibe ii Okraina. Teo amin' ny seha-pihariana rehetra eo amin' ny toekarena dia nahitana fihenan' ny famokarana, indrindra ny seha-pihariana faharoa. Imbetsaka i Okraina no tsy nahazo fanampiana avy amin'ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena sy tamin' ny ny Banky Iraisam-Pirenena. Tamin' ny taona 2003 dia 19,5 %n' ny mponina no miaina ambanin' ny tokonam-pahantrana.

Ny famokarana ara-pambolena dia nianjadian' ny fahasahiranana mafy noho ny vokatry ny fahaleovantena sy ny fahatapahan' ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra tamin' ireo repoblika tao amin' ny Firaisana Sôvietika taloha. Nikorosy fahana ny fambolena. Ny famokarana voamadinika any Okraina dia nihena izaitsizy. Ny 57,6 % amin' ny tanin' i Okraina no voavoly ka mahatonga azy ho firenena manankarena amin' ny fambolena. Isan' ireo firenena mpamokatra ovy, betiravy siramamy ary vary orza i Okraina. Ny vokatra hafa dia ny varimbazaha, ny katsaka, ny sôja, ny legioma, ny tanamasoandro ary ny rongonimbazaha. Mamokatra divay sy voankazo koa ny any Krimea. (tohiny...)