Wikipedia:Takelaka/10 2020

Avy amin'i Wikipedia

Martin Lotera dia teolojiana alemàna isan'ireo nitarika ny Fanavaozam-piangonana na Reformasiona protestanta tamin'ny taonjato faha-16, teraka tamin'ny 10 Novambra 1483 tao Eisleben ary maty tamin'ny 28 Febroary 1546 tao Eisleben ihany koa.

Ny fanavaozam-piangonana notorin'i Martin Lotera dia nisy vokany lehibe teo amin'ny fandrosoan'ny kristianisma ary ny foto-pampianarana nipoitra tamin'izany dia nisy akony teo amin'ny fianinan'ny vahoakan'i Eoropa, tsy amin'ny ara-pivavahana ihany fa amin'ny lafiny ara-politika sy ara-toekarena koa.

Nisahirana ny amin'ireo fanontaniana momba ny fahafatesana sy ny famonjena izay nampiavaka ny kristianisma tamin'ny Andro Antenantenany i Lotera, ka nanovo valinteny avy tao amin'ny Baiboly, indrindra ao amin'ny Epistily nosoratan'i Paoly ho an'ny Romana. Araka ny hevitr'i Lotera, ny famonjena ny fanahin'ny olombelona dia fanomezana malalaka avy amin' Andriamanitra izay raisina amin'ny alalan'ny fibebahana amin-kitsim-po sy amin'ny finoana marina an'i Jesosy Kristy ho Mesia, tsy misy fanelanelanan'ny Fiangonana. Nihantsy fahefan'ny papa i Lotera amin'ny filazany fa ny Baiboly no hany loharanon'ny fahefana kristiana (tohiny...)