Fanahin'ny vatana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fanahin'olombelona)
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny fanahin'ny vatana izay atao amin' ny teny mahazatra hoe fanahy ihany koa dia fototry ny fahavelomana tsy azo tsapain-tanana, izay manetsika ny vatan' ny zavamananaina (olombelona, biby, zavamaniry) sy mahatonga azy hanana saina. Maro dia maro ny fanehoana ara-tandindona na am-panoharana ny fanahy, maro toraka izany koa ny zavatra inoana momba azy. Ahitana izany rehetra izany ny ankabeazan' ny sivilizasiona araka ny hita amin' ny fiheverana ara-pivavahana, ara-pilozofia, ara-psikolojia, na araka ny fahalalana sy ny anganom-bahoaka.