Aller au contenu

Roibe

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Voaroibe)
Roibe (Hibiscus diversifolius)

Ny roibe dia zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Malvaceae, misy voniny mitapelaka miloko mavo, ny tahony dia misy tsilo maromaro maranitra, misy tsiratsiraka ny hodiny, mirefy 1 hatramin' ny 2 m ny haavony. Kely izy raha maniry amin' ny tany karankaina ka atao hoe roibelahy, fa lehibe kosa izy raha maniry amin' ny tany mando ka antsoina hoe roibevavy. Atao hoe Hibiscus diversifolius ny aranany ara-tsiansa. Izao koa ny anarana mety hahafantarana azy amin' ny teny malagasy: rabe, roibelahy, roibevavy, roilo, tsotsona na kiniavandy (any amin' ny Betsileo) na voaroibe.

Vonin-droibe
Vonin-droibe
Vonin-droibe

Amin' ny fitsaboana nentim-paharazana malagasy dia ampiasaina hitsaboana ny aretin' ny traotraoka (sita) ny roibe.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]