Fiteny tamily

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tamil)
Mbola ambangovangony  amin'ny resaka fiteny ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.


Voamarika amin' ny loko menamena ny faritra itenenana ny fiteny tamily

Ny fiteny tamily na fiteny tamoly dia fitenin' ny vahoaka tamily (dravidianina taloha) any India sy any Srilanka. Fiteny ôfisialin' i Tamil Nadu sy ny tananan' i Pondichery sy Karîkâl any India izy. Fiteny ôfisialy any Singaporo ihany koa ny fiteny tamily. Olona miisa 74 tapitrisa mahery no miteny tamily eran-tany, araka ny voalazan' ny World Almanac 1994. Atao hoe தமிழ் / tamil izy amin'ny fiteny tamily.

Fiteny anisan' ny fiteny diravidianina ny fiteny tamily izay anisan' ny fiteny tranainy indrindra eto an-tany. Tsy ary niova firy ilay fiteny na dia efa nisy 2 500 taona aza. Soratana amina soratra avy amin' ny soratra brahmy ny fiteny tamily.

Fiteny[hanova | hanova ny fango]

Noho ny tsy fahaizan' ny olona manoratra sy mamaky teny tany India nandritry ny taonjato maromaro dia samihafa be ny endriky ny fiteny tamily tenenina (koduntamil) sy ny fiteny tamily soratana (centamil). Mitovy amin' izany koa, ny fianarana dia matetika atao am-bava fa tsy an-tsoratra, ary matetika miova ny fanononana ny teny arakaraky ny tanàna, ary tsindraindray, tsy misy fifandraisana amin' ilay teny soratana intsony ilay teny tenenina.

Amin' ny ankapobeny, misy endriky ny fiteny tamily ampiasaina amin' ny haisoratra, ampiasain' ny gazety, ny boky, sns. manaraka ny fitsipi-pitenenana, ny tsipelina ary ny rafi-pitenenana, ary ny endriky ny fiteny tamilim-bahoaka, ampiasain' ny haino aman-jery (radio, fahitalavitra): izany dia azo lazaina hoe diglossie amin' ny teny frantsay. Ny fiteny tamilim-bahoaka dia mety miovaova arakaraka ny firenena, arakaraky ny faritany ary tsindraindray arakaraka ny tanàna: na dia olona mifehy tsara ny fiteny tamily soratana, izany hoe ôfisialy, dia mety tsy mahazo io fiteny io, matetika mampiasa fiteny vahiny (lugej = "entana", avy amin' ny teny anglisy hoe luggage, zanti = "mahafatifaty", avy amin' ny teny frantsay hoe gentil) navadika arakaraka ny fanononana tamily. Ny anton' io dia ny fisian' ny mpiteny tamily any ivelany, ampifangaroiny amin' ny fiteny tenenina eo amin' ny toerana onenany ny fiteny tamily. Ny fiteny tamily tenenina any India dia tamilim-bahoaka, ary ny fiteny tamily tenenina any Srilanka dia fiteny tamily mifandray kokoa amin' ny fiteny tamily soratana.

Hatry ny fanombohan' ny taonjato faha-20 dia nampifanakekezan' ny mpandini-pitsipi-pitenenana tamily ny fiteny tamily soratana sy ny fiteny tamily tenenina, fa mitazona ny mahasamihafa ilay fanoratana antitra be.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]