Tamily (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Fampakaram-bady tamily

Ny Tamily na Tamoly ​​dia vahoaka monina indrindra ao amin' ny fanjakan' i Tamil Nadu (midika ara-bakiteny hoe "tanin' ny Tamily") any India ary vitsy anisa any Srilanka. Ny fiteny tamily no fitenin' izy ireo, izay efa roa arivo taona ny tantarany. Hita any amin' ny faritra maro maneran-tany ny vondrom-piarahamonina tamily. Fiteny ôfisialy any Srilanka, any Singaporo ary any amin' ny Fanjakan' i Tamil Nadu ao India ny fiteny tamily. Hindoa ny ankamaroan' ny Tamily, nefa ahitana Kristianina sy Mozilmana vitsy anisa koa. Tamin' ny taona 2009 izy ireo dia niisa manodidina ny 85 tapitrisa.

Ahitana azy ireo ny any India (69 026 881 tamin' ny taona 2011), ny any Srilanka (3 135 770 tamin' ny 2012), ny any Malezia (2 200 000 tamin' ny 2007), ny any Singaporo (336 000 tamin' ny 2006), ny atsy La Réunion 220 000 tamin' ny 2006), ny ao Maorisy (72 036 tamin' ny 2011), ny any Etazonia (mihoatra ny 238 699 tamin' ny 2022), ny any Kanada (237 890 tamin' ny 2021).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]