Tahirin-kevitra deoteronomista

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny tahirin-kevitra deoteronomista na loharano deoteronomista, izay hafohezina amin'ny litera D, dia mahafaoka ny Bokin'ny Deoteronomia manontolo izay niavian'ny anarany. Hita ao amin'ny Bokin'i Josoa sy ny Bokin'ny Mpitsara anefa ny fomba fanorany sy ny foto-pampianarany: ireo lahatsoratra ireo sy ny Bokin'ny Deoteronomia dia manome zavatra miendrika tahirin-kevitra tokana. Hita koa ao amin'ny bokin'ny mpaminany, indrindra ao amin'ny Bokin'i Hosea sy ny Bokin'i Jeremia koa ny hevitra sy ny toetra mampiavaka indrindra io tahirin-kevitra io. Hita matetika sy miharihary mazava ao amin'ny Bokin'ny Deoteronomia ny fomba fiheverana sy ny fomba fanaovan-javatra ao aminy izay nakana ny aingam-panahin'ny faminaniana ao amin'i Israely, ka izany no anaovana ny anaran'io tahirin-kevitra io hoe "deoteronomista"[1].

Ny tahirin-kevitra deoteronomista dia lahatsoratra vinavinaim-pisiana araka ny hevitry ny mpikaroka momba ny Baiboly (i Karl Heinrich Graf, Julius Wellhausen sns) tamin'ny taonjato faha-18 nefa misy ireo mpikaroka taty amin'ny taonjato faha-20 izay nitsikera izany petra-kevitra izany ka namela azy. Araka ny mpomba io petra-kevitra io dia iray amin'ireo loharano na tahirin-kevitra nakana singa nakambana hiforonan'ny Baiboly hebreo (Tanakh) izy io, ka ny telo hafa dia ny tahirin-kevitra elohista sy ny iahvista ary ny an'ny mpisorona.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. "Pentateuque (Documents du)" in Encyclopaedia Universalis