Simôna mpanao hatsarana

Avy amin'i Wikipedia
Ny adin' i Petera amin' i Simôna Magy, sary nataon'i i Avanzino Nucci, 1620. Eo ankavanana i Simôna, mitafy mainty.

I Simôna Magy na Simôna mpanao hatsarana na Simona Ombiasa, dia olona resahina ao amin' ny Asan' ny Apôstôly ny fifandonana nisy teo aminy sy i Petera na Piera. Ny simônia, izay fividianana toerana, dia nomena anarana araka ny anaran' i Simôna, izay niezaka ny hividy ny lalana mankany amin' ny fahefan' ny Apôstôly. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Σίμων ὁ μάγος / Simôn o magos, fa amin' ny teny latina kosa dia Simon Magus.

Araka ny voalazan' ny Asan' ny Apôstôly, i Simôna dia magy samaritana na olo-malaza ara-pivavahana tamin' ny taonjato voalohany ary niova ho kristiana, nataon' i Filipo Evanjelista batisa. Nifandona tamin' i Petera i Simôna tatỳ aoriana. Misy ny tantaran' i Simôna nosoratan' ny mpanoratra tamin' ny taonjato faharoa, nefa tsy heverina ho azo hamarinina. Ny lovantsofina mbola sisa momba an' i Simôna dia hita ao amin' ny soratra ôrtôdôksa, toy ny an' i Ireneo, i Jostinôsy Martira, i Hipôlita, ary i Epifaniôsy, izay matetika milaza azy ho mpanorina ny gnôstisisma, izay neken' ny manam-pahaizana sasany ankehitriny, fa ny hafa kosa mandà ny filazana azy ho gnôstika, satria fiheveran' ny Rain' ny Fiangonana azy fotsiny izany.

Ny fahafatesan' i Simôna Magy

I Jostinôsy, izay teraka tany Samaria tamin' ny taonjato faha-2, dia nanoratra fa saika ny Samaritana rehetra tamin' ny androny dia mpanaraka lehilahy atao hoe Simôna avy any Gitta, tanàna iray tsy lavitra an' i Flavia Neapôlisy. Nino i Ireneo fa izy no mpanorina ny sektan' ny Simôniana. I Hipôlito dia naka teny avy amin' ny asasoratra iray nolazainy fa nosoratan' i Simôna na ny Simôniana mpanara-dia azy, boky atao hoe Apophasis Megale, ("Fanambarana Lehibe"). Araka ny filazan' ny mpanoratra momba ny herezia tao amin' ny Fiangonana tany am-boalohany, i Simôna koa dia heverina fa nanao lahatsoratra maro nefa very, ka ny roa amin' ireo dia mitondra ny lohateny hoe Ny Faritra efatra amin' Izao Tontolo Izao sy Ny Toritenin' ilay Mpanohitra.

Ao amin' ny asasoratra apôkrifa, anisan' izany ny Asan' i Petera sy ny asasoratra pseodô-klementina ary ny Epistilin' ny Apôstôly, i Simôna koa dia miseho amin' ny maha mpilalao ody mampahatahotra azy, izay mahay mitsingevana sy manidina araka ny sitrapony. Antsoina hoe "Samaritana ratsy fanahy" izy indraindray noho ny haratsiam-panahiny. Ny Konstitosiôna Apôstôlika koa dia miampanga azy ho "tsy manara-dalàna" (antinômisma).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]