Sabena (kômôriana)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Sabena dia ireo Kômôriana niharan' ny fandroahana faobe avy eto Madagasikara tamin' ny fiandohan' ny taona 1977 ka nifindra monina any Kômôro. Io teny io dia avy amin' ny anaran' ny orinasam-pitaterana ana habakabaka belza (Sabena) izay namonjy azy ireo. Nipoaka tokoa ny rotaka tany Mahajanga tamin' ny faran' ny volana Desambra 1976, nataon' ny Betsirebaka sy ny Antandroy, izay foko malagasy roa, tamin' ny teratany kômôriana rehetra izay fantatra tamin' ny alalan' ny fananany anarana mozilmana na tamin' ny alalan' ny fisian' ny mainty eo ampin' ny handriny (noho ny fiankohofana mandritra ny vavaka).

Nanomboka tamin' ny fifandonana mahakasika ny fomban-tany eo amin' ny mpifanolo-bodirindrina izany. Tamin' ny fiandohan' ny volana Janoary 1977 no nisy ny fandefasana voalohany tamin' ny sambo atao hoe Ville de Tuliéar sy Ville de Manakara, ary farany tamin' ny fiaramanidina belza atao hoe Sabena. Nanapa-kevitra ny hampody an-tanindrazana ny Kômôriana avy aty Madagasikara ny Fanjakana Kômôriana notarihin' i Ali Soilihi tamin’ izany fotoana izany.

Ireo Kômôriana ireo, izay matetika efa mifangaro malagasy, nonina tany amin' ny morontsiraka avaratra-andrefan' i Madagasikara nandritra ny taranaka maro, no vondrona ara-kolontsaina fahadimy mandrafitra ny vahoaka kômôriana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]