Ras al-Khaimah

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ras Al Khaimah)
Ras al-Khaimah

I Ras al-Khaimah dia tanàna ao amin' ny Emirata Arabo Mitambatra, renivohitry ny Emiratan' i Ras al Khaimah. Ao amin' ny Hoala Persika no misy azy, any amin' ny farany avaratra amin' ny tany efitr' i Rub al-Khali, eo anelanelan' ny tendrombohitra sy ny ranomasina. Ny governoratan' i Musandam, izay faritra mitoka-monina ômaney, dia eo amin' ny 20 km any avaratra sy atsinanan' ilay tanàna.

Miorina manodidina ny seranan-tsambo voajanahary (na khor), izay manasaraka azy ho distrika roa, ity tanàna ity: i Ras el Khaimah tranainy sy i Nakheel; nonenana mponina miisa 120 347 izy tamin' ny taona 2010, na 60 % amin' ny mponina ao amin' ilay emirata. Ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ras al-Khaimah dia 18 km atsimon' ilay tanàna.

Araka ny tatitry ny Intergovernmental Panel on Climate Change (IPCC) tamin' ny 9 Aogositra 2021 dia nanjary tsy azo iainana ilay tanàna, sahala amin' i Jacobabad ao Pakistàna, noho ny onjam-kafanana lehibe miaraka amin' ny hamandoana be, ka tsy ahafahana mifehy ny hafanan' ny vatana amin' ny hatsembohana. Ny hafanana any dia nahatratra ny tokonana heverina ho mahafaty 35 °C amin' ny antsoina hoe hafanana mando, efa niseho inefatra nanomboka tamin' ny taona 1995, araka ny fanadihadiana nivoaka tamin' ny taona 2020 tao amin' ny gazety siantifika Science.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]