Sharjah (emirata)

Avy amin'i Wikipedia
Sarintanin' ny Emiratan' i Sharjah,

I Sharjah dia iray amin' ny emirata fito ao amin' ny Emirata Arabo Mitambatra, ka ny renivohitra nahazoany ny anarany dia ny tanànan' i Sharjah, tangoron-tanànana fahatelo lehibe indrindra ao amin' ilay emirata. Iray amin' ireo emirata mpandala ny nentin-drazana indrindra ao amin' ilay firenena izy io: voarara tanteraka, ohatra, ny fisotroana toaka ho an' ny tsy Mozilmana any, izay tsy misy any amin' ny faritra hafa. Tahaka an' i Ajman, io tanàna io mihitsy dia ao anatin' ny tagoron-tanànan' i Dubai ankehitriny. Atao hoe إِمَارَة ٱلشَّارِقَة / Imārat Aš-Šāriqah ity emirata ity amin' ny teny arabo.

Mirefy 2 590 km2 ary misy mponina mihoatra ny 1 400 000 tamin' ny taona 2015 ilay emirata. Tafiditra ao anatin' izany ny renivohitra Sharjah sy ireo tanàna madinika sy ny hafa toa an' i Kalba', i Al Dhaid, i Dibba Al-Hisn ary i Khor Fakkan.

Ity emirata ity dia fanjaka-mpanjaka tsy refesi-mandidy. Nofehezin' ny soltan bin Muhammad Al-Qasimi izy io nanomboka tamin' ny taona 1972, afa-tsy nandritra ny enina andro nandritra ny fikasana fanonganam-panjakana nataon' ny rahalahiny, Sheikh Abdulaziz bin Mohammed Al-Qasimi.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]