Ajman (emirata)

Avy amin'i Wikipedia

I Ajman dia iray amin' ireo emirata fito ao amin' ny Emirata Arabo Mitambatra. Niditra tao amin' ny federasiônan' ny Emirata Arabo Mitambatra izy tamin' ny 2 Desambra 1971. Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe إمارة عجمان; / ʔɪmaːra(t) ʕaʤmaːn]) fa amin' ny teny arabon' ny Hoala kosa dia إمارة عيمان / emāratʿymān. Manana velarana mirefy 259 km2, izay mahatonga azy ho ny kely indrindra amin' ny emirata raha ny velarana no heverina. Misy mponina miisa 504 846 izy tamin' ny taona 2017 ka mahatonga azy ho emirata fahefatra be mponina indrindra amin' ilay firenena. Ao amin' ny tanànan' i Ajman no toerana misy ny governemanta. Ny tanin' ilay emirata dia saika mitoka-monina, voahodidin' ny Emiratan' i Sharjah eo avaratra sy atsinanana ary atsimo.

Any amin' ny morontsiraky ny Hoala Persika no misy an' i Ajman, ary mifehy faritra mitoka-monina ivelany anankiroa roa, dia i Manama sy i Masfout, izay samy toeram-pambolena voalohany indrindra. Manodidina ny 95 % amin' ny mponina ao amin' ilay emirate no mipetraka ao an-tanànan' i Ajman, izay ao anatin' ny faritry ny vangongon-tanàna Dubai-Sharjah-Ajman. i Ajman dia tarihin' ny sheikh Humaid bin Rashid Al Nuaimi III avy amin' ny foko Na'im. Ny printsin' ilay emirata dia ny sheikh Ammar bin Humaid Al Nuaimi.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]