Umm al-Qaiwain (emirata)

Avy amin'i Wikipedia
Ny Emiratan' i Umm Al Quwain

I Umm al-Qaiwain na Umm Al Quwain dia iray amin' ireo emirata fito ao amin' ny Emirata Arabo Mitambatra, any amin' ny tapany avaratr' ilay firenena. Io no emirata faharoa kely indrindra sy be mponina indrindra ao amin' ny Emirata Arabo Mitambatra ary manamorona ny Hoala Persika. Eo anelanelan' i Ras Al Khaimah sy i Sharjah/Ajman no misy an' i Umm Al Quwain eo amin' ny morontsiraka andrefana, misy toerana manamorona ny lalam-barotra eo anelanelan' ny faritra Atsinanana Afovoany sy i India. Manana morontsiraka mirefy 24 km izy. Atao hoe أم القيوين / [ʔumː alqajˈwajn] izy amin' ny teny arabo.

Ny Emiratan' i Omm Al Quwain dia niforona tamin' ny taona 1775, rehefa nanangana azy ho fanjakana tapahin' ny sheikh mahaleo tena ny sheikh Majid Al Mualla. I Saud bin Rashid Al Mualla izao no mifehy ilay emirata. Ny printsy amin' izao fotoana izao dia i Rashid bin Saud bin Rashid Al Mua'lla, ary ny filoha lefitra dia i Abdullah bin Rashid Al Mualla III. Nisy 72 000 ny mponina ao tamin' ny taona 2007 ary mirefy 770 km2 ny velarany.

Ity emirata ity, amin' ny ampahany be, dia fitambaran' ny tanànan' i Umm al-Quwain sy ny tanàna ôazisy Falaj Al Mualla, eo amin' ny 30 km miala ny morontsiraka. Ny isan' ny ilay emirata dia 49 159 araka ny faminavinana natao tamin' ny Desambra 2005. I Umm Al Quwain no renivohiny.

Tsy toy ny sasany amin' ireo mpifanolo-bodirindrina aminy, i Umm Al Quwain dia tsy nahita solitany na etona lehibe tao amin' ny taniny. Ny toekarenany dia miankina amin' ny fidiram-bola avy amin' ny hôtely, ny valan-javaboary sy ny fizahan-tany, ny jono ary ny varotra ankapobeny ary koa ny faritra afaka Umm Al Quwain (UAQFTZ). miorina ao amin' ny seranan-tsambo Ahmed Bin Rashid.

Hetsika sy paikady maro avy amin' ny governemanta no napetraka mba hamporisihana ny fitomboan' ny varotra sy ny asa indostrialy ao amin' ilay emirata, anisan' izany ny fanapahan-kevitra tamin' ny taona 2018 hampihenana ny saram-pandraharahana tokony haloan' ny orinasa ary hanafoanana ny onitra sy ny sazy noho ny fanitsakitsahan-dalàna tokony haloan' ny orinasa izay tsy nanavao ny fahazoan-dàlana ara-barotra.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]