Vadin' i Mohamady

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ny vadin' i Mohamady)
Renin' ny Mpino

Ny vadin' i Mohamady mpaminany faran' ny silamo, dia vehivavy maro nefa tsy fantatra marina ny isany: iraika ambin' ny folo hatramin' ny dimy ambin' ny folo[1]. Ny Sonita dia miantso azy ireo ho "Renin' ny Mpino" (amin' ny teny arabo: أم ٱلْمُؤْمِنِين‎ / Ummahāt al-Muʾminīn), ho mariky ny fahamboniam-boninahitra manoloana ny vehivavy mozilmana hafa[2], araka ny Sorata faha-33 andininy faha-6: "Manan-jo kokoa amin' ny mpino ny Mpaminany, mihoatra ny zo hananan' izy ireo amin' ny tenany, ary ny vadiny dia renin' izy ireo". Modely ho an' ny vehivavy mozilmana izy ireo. Na dia voafetra ho efatra monja aza ny vadin' ny lehilahy mozilmana[3] nefa afaka tamin' io didy io i Mohamady ary navela hanana vady tsy voafetra isa[4]. Indreto ny anaran' ny telo ambin' ny folo amin' ireo vehivavy ireo[5]:

  1. Khadija bint Khuwaylid
  2. Sawda bint Zamʿah
  3. Aisha bint Abu Bakr
  4. Hafsa bint Umar
  5. Zaynab bint Khuzayma
  6. Hind bint Abi Umayya (na Umm Salama)
  7. Rayhana bint Zayd
  8. Zaynab bint Jahsh
  9. Juwayriyya bint al-Harith
  10. Safiyya bint Huyayy Ibn Akhtab
  11. Ramla bint Abi Sufyan (na Umm Habiba)
  12. Mariyah bint Sham'un al-Qibtiyya
  13. Maymuna bint al-Harith

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Tabari, La Chronique, Histoire des prophètes et des rois, vol. II, chap. « Mohamed, sceau des prophètes », Actes-Sud, 2001 (ISBN 978-2-7427-3318-7), p. 327
  2. « Épouses du Prophète », dans Dictionnaire du Coran, 2007, Paris, p. 262 sy ny manaraka.
  3. Journal of Arabic and Religious Studies. Department of Religions, University of Ilorin. 1986. p. 25.
  4. Phipps, William E. (1999). Muhammad and Jesus: A Comparison of the Prophets and Their Teachings. Continuum. p. 142. ISBN 978-0826412072, p. 142.
  5. « Épouses du Prophète », ao amin' ny Dictionnaire du Coran, 2007, Paris, p. 262 sy ny manaraka.