Nosy Sakatia

I Nosy Sakatia dia nosy kely any amin' ny morontsiraka avaratra-andrefan' i Madagasikara, ao amin' ny Lakandranon' i Môzambika, 1 km andrefan’ i Nosy Be. Manana sakany mirefy 6 km eo ho eo sy lavany ary 2 km, dia malaza amin' ny zavaboary izay mbola tsy simba sy ny zavamananaina miavaka[1]. Olona 300 eo ho eo no mipetraka ao amin’ ilay nosy, izay mivelona amin’ ny fanjonoana sy fiompiana. Somary be lohasaha ny ao anatiny.
Jeôgrafia
[hanova | hanova ny fango]
Nosy kely any amin' ny morontsiraka avaratra-andrefan' i Madagasikara, ao amin' ny Lakandranon' i Môzambika, i Nosy Sakatia, izay fantatra ihany koa amin' ny anarana hoe "Nosy Ôrkide". Ity nosy ity dia ao amin' ny kaominina Nosy Be, 1 km andrefan’ i Nosy Be, ao anatin' ny Faritra Diana. Manana sakany mirefy 6 km eo ho eo sy lavany ary 2 km izy io. Somary be lohasaha sy tendrombohitra ny ao anatiny[2].
Mponina
[hanova | hanova ny fango]Olona 300 eo ho eo no mipetraka ao amin’ ilay nosy, miparitaka amin’ ny tanàna telo izay mivelona amin’ ny fanjonoana sy fiompiana. I Nosy Sakatia dia Faritry ny Vakoka Teratany sy ny an' ny Fokonolona (frantsay: Aire du patrimoine autochtone et communautaire - APAC; anglisy: Indigenous and Community Conserved Area - ICCA), tantanin' ny dina, karakarain' ny andrim-piarahamonina nentim-paharazana eo an-toerana ny harena voajanahary ao amin' ilay nosy hatramin' ny ela[3][4].
Fifanolanana
[hanova | hanova ny fango]
Nikasa ny hanangana trano fandraisam-bahiny anaty velaran-tany 17 hekitara ao Nosy Sakatia ny fanjakana malagasy, hiarahana amin’ ny orinasa Green Mada Land. Nampiantso solontena avy amin' ny fokonolona ny prefen' i Nosy Be tamin' ny 24 Mey 2023, mba hiresahana momba ny famindran-toerana ny mponina[3][5].
Notoherin' ny mponina ny fikasana famindran-toerana, amin' ny filazana fa manitsakitsaka ny zon' izy ireo amin' ny fananan-tany sy manohintohina ny fiainany nentim-paharazana ny fanjakana malagasy[5]. Nampahatsiahy ny mponina fa mitantana ny nosy amin' ny fomba maharitra izy ireo amin' ny alalan' ny dina, izay miaro ny zavamananaina sy miantoka ny fizakan-tenany sy ny kolontsainy[4]. Nanao antso avo ho amin' ny firaisankinam-pirenena sy iraisam-pirenena ny mponina mba hampitsaharana ilay tetikasa heverina fa manimba[5].
Zavaboary
[hanova | hanova ny fango]
Malaza amin' ny zavaboary tsy misy nanimba sy amin' ny fisian' ny zavamananaina miavaka ny Nosy Sakatia[1]. Azo atao ny manao antsitrika sy milomano ao anaty ranomasina[6]. Manana tora-pasika fotsy ihany koa ny Nosy Sakatia[7].
Zavamaniry
[hanova | hanova ny fango]
Maro ny karazan-javamaniry hita ao Nosy Sakatia, anisan' izany ny ôrkidea (indrindra ny Angraecum sesquipedale, izay tsy fahita raha tsy eto Madagasikara). ny ilangilangy (Cananga odorata, ambolena ao Nosy Be sy ny manodidina, anisan’ izany i Nosy Sakatia), ny ravintsara (Cinnamomum camphora, ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana eto Madagasikara), ny ravinala (Ravenala madagascariensis).
Biby
[hanova | hanova ny fango]Maro ny karazan-biby hita ao Nosy Sakatia, anisan' izany ny karazan-tanalahy (Furcifer pardalis sy Brookesia minima), ny karazan-katsatsaka (Uroplatus spp., tsy fahita raha tsy any amin' ny ala trôpikaly eto Madagasikara), ny dona (Acrantophis dumerili, izay karazana arovana[8], sokatra maitso (Chelonia mydas sy Eretmochelys imbricata), ny trondro (Amphiprion ocellaris sy Mobula alfredi), ny karazalm-borona (Dicrurus forficatus sy Apus balstoni).
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Nosin' i Madagasikara: Nosy Antanimora - Nosy Be - Nosy Berafia - Nosy Boraha - Nosy Chesterfield - Nosy Faly - Nosy Fanihy - Nosy Iranja - Nosy Kalakajoro - Nosy Komba - Nosy Lava - Nosy Madame - Nosy Mangabe - Nosy Marotia - Nosy Mitsio - Nosy Nato - Nosy Piraty - Nosy Radama - Nosy Satrana - Nosy Valiha - Nosy Ve - Nosy Antanimora -
- Lisitry ny nosin' i Madagasikara
- Zavamananaina ao amin' ny Nosy Sakatia
- Biby: Acrantophis dumerili – Amphiprion ocellaris – Apus balstoni – Brookesia minima – Brookesia stumpffi – Chelonia mydas – Cryptoblepharus cognatus – Dicrurus forficatus – Eretmochelys imbricata – Furcifer pardalis – Gasteracantha – Leioheterodon madagascariensis – Mobula alfredi – Nephilingis livida – Uroplatus spp.
- Zavamaniry: Angraecum sesquipedale – Cananga odorata – Cinnamomum camphora – Ravenala madagascariensis
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- 1 2 "Nosy Sakatia, the island of orchids", ndaoitravel.com
- ↑ "Nosy Sakatia-Island Of Wonders", primemadaguide.com
- 1 2 "Call for Action: Save the ICCA–territory of life of Sakatia in Madagascar against land grabbing", naturaljustice.org
- 1 2 "Sakatia Island (ICCA), Madagascar", localbiodiversityoutlooks.net
- 1 2 3 "Call for Action: Save the ICCA–territory of life of Sakatia in Madagascar against land grabbing", www.iccaconsortium.org
- ↑ "Nosy Sakatia", travel.usnews.com
- ↑ "Nosy Sakatia, the orchids island", nosybe-tourisme.com
- ↑ "More than 47,000 speciesare threatened with extinction", https://www.iucnredlist.org/